Notiaviko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notiaviko

Notiaviko ianao, tao anaty foko tao,
Tsy nolazaiko olon-kafa
Nantsoiko mangina koa, nefa angamba tsy henonao
Ilay feoko nanatsafa

Novetsoiko ho antsika roa, ireo hira izay nindramiko
Tiako iraisana aminao
Nampanongako ny fanahy, ho lasa tononkalo mamiko
Ilay hotra-poko tia anao

Koa raha hitanao ity, na voavakinao tsinahy,
Dia ho fantatrao ny amiko
Dia hiteny koa ianao, tiako ilay aingam-panahy
Ireo rarin-teny mamiko

Raha voataratrao an-teny, izany foko tia anao
Dia efa mibitaka ny aiko
Fa menatra ilay fahasahiako, hivolana hoe “tiako ianao”
Ka tsy afa- nampitaiko
--------
Rohy:
1403 1
Mpakafy: Aynah
Hevitra mandeha
tiarah ( 16/08/2010 12:21)
Iza no vehivavy tsy ho babo amin izato haingam panahy izato, izaho aloha dia resy sady mankafy e!
raozigasy ( 16/08/2010 21:33)
aoka marina e
Aynah ( 19/01/2011 22:33)
Mankasitraka Raozy a! Babo a, tena resy...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312