NY TANTARA NO AOKA HITSARA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tantara no aoka hitsara

Izao hetraketra-pamonoana, tsy misy fetra tsy mitsahatra
Izao fanararaotam-pahefana, sy ireo didy tsy anka-dahatra
Izao fampijaliam-bahoaka, , mpiray rà  sy tanindrazana
Dia mbola hivaly eny ihany, tsy hiandry anao ho lasa razana

Izao fitondrana sadasada, tsy fanta-pototra izao
Izao fanjakana, zarazara, tsy hay hoe inona no atao,
Izao lalà na tsy mazava, tsy voahaja tsy voafehy
Dia mbola hitaky izany trosany, tsy hiandry anao ho lehibe

Izao miaramila adaladala, manjakazaka feno ditra
Izao vahoaka ampijaliana, efa leo mibaby kitra
Izao fiainana voapotika, firenena ravarava
Dia mbola hisy fitsarana, tsy atrehi-mpisolovava

Tadidio raMalagasy, ilay todim-paty aza manody,
F’ireo rà  izay nikoriana, ireo dia mbola iantsoako tody
Ary ilay todim-pitia, io koa anie ka manodiava,
ny fitiavako ny fireneko, tsy hitsahatra ho rava

Ka ilay ankehitriny izay iainana, ilay hivadika ho tantara
Izy no aoka hanameloka ary izy koa no aoka hitsara,
Fa ny zava-misy androany, sy ny alahelo izay vokariny
Na any am-pasana aza ianao, ny avelonao mbola ho fongariny
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Tanindrazana - Alahelo - Ady
1324 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 02/05/2009 07:06)
Mankasitratanteraka Raozigasy a!Marina tsy misy azo lavina !
raozigasy ( 02/05/2009 12:55)
misaotra anao e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323