You are here: home > Vetso

Raozy - raozy

Raozy. . .

Raozy sisa
hitanisa
ilay fitia

Voninkazo
izay halazo
tsy ho doria

Dia sento koa
fa tsy hanindroa
hiriaria

Fa hanadino
sy tsy hino
fa nitia

Dia tso-drano
fa angano
irony lasa

Veloma ihany
fa tomany
no handatsa

25 Marsa 2003

Sokajy : Fiononana, Fisarahana

Hevitra mandeha

laila (29/08/2005 10:24:52)

tsara fa tohizo e
dia mazotoa manoratra tononkalo ary mahaiza mampiasa tsara ny talenta e!
Laila, veloma

hery (08/02/2006 22:09:56)

Rehefa avy namaky an'ilay Aingam-panahy... aingan-tsiahy aho dia niverina namaky ilay Raozy indray.
Lalina daholo

pissoa (09/02/2006 10:22:50)

Oops - avy namaky an'ilay "Aingam-panahy... aingan-tsiahy"

Mazotoa Raozy!

Hametraka hevitra

Midira aloha