Regime (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy haiko na lamaody, na tarazom-pandrosoana
tsy haiko na tsy tia, na resaka finoana
tsy haiko na hoe henatra, na izy no tsy noana
fa izy lasa miaingitra, ny hanina rosoana

tsy haiko na fitia, mba te hamaky teny
tsy haiko hoe tsy matoky, ireny kajy ireny
tsy haiko hoe maninona no vakiana elabe
ireo soratra mipetraka eo amin'ny « sachet »

tsy haiko na tsy tia ilay fotsifotsin-doko
tsy haiko hoe nahoana, ilay hodiny no atoko
tsy haiko hoe maninona , ilay mahia no jerena
rehefa iny izy fa mividy hena

tsy haiko ratsy ve, izay rehetra vatomamy
tsy haiko hoe lafo ve, rehefa mofomamy,
tsy haiko na ilay tsonika, amin'ny « chocolat »
no mahatonga azy, manao hoe « a a a »

tsy haiko ange izay antony, raha tsy vao omaly
ilay izy avy nilanja, avy eo dia falifaly
izaho tsy nahalala, nanontany hoe fa misy inona
dia hoy izy nihomehy, « izaho manao regime »

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1079 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315