Sagnàgna (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa natao hoe : « hatreto ihany aloha » fa namita-tena
fa toa ny omaly ihany, raha ny hita hatreto ny zavatra jerena
fa vary mangatsiaka, tsy masaky ny omaly sy sisa izay tsy lany
no nomena toerana, tsy mifanandrify, nataony hoe mety androany

Dia rahampitso ireo, hitsambikina mikimpy, hanangona harena
moa ireo tambiny, tsy nasian-totaly fa tena sesehena
nampiana indray ny vahana, nomena azy ny hery, hahafahany tsy miala
hampitombo isa, ireo savovon-karena, sy tranobe mijoala

tsy misy ve anarana, madio sy mba mahay, azo apetraka eo
na farafaharatsiny, olom-baovao, ankoatr'ireo
tsy nihosina tarazo, tsy nizara ambony ampanga, tsy niray vilia
fa toa ny omaly ihany no atandrimondrimo, dia atao avia

oh... izaho ilay saika hangina, hijery sy hampirisika, ity toa miaka-peo
fa kivy sy sorena, vao namaky ireo anarana, hitako anikeheo
ny lalao tokoa no miova, ilay dihim-politika, navadika ho kitra
fa ny vahoaka maro, na inona ady eo, no mibaby kitra

sa ve aza hitako, ka ho isan-telo volana, soloina ireo minisitra
dia samy mba mahazo, izay kaokam-bolam-panja, tsy misy iray ho gisitra
izay no atao takalo, sy vidim-pahanginan'ny laka-niampitana
dia ny vahoaka moa, mifafa kiho hatrany, satria angaha sagnàgna ?
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1073 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 29/04/2014 23:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261