SAIKA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAIKA


Saika hanoratra aho androany,
Hilazalaza hanambara
Ireo rehetra “lasa” tany
Sy nivalona ho tantara

Saika hanoratra aho androany
Hampahatsiahy, sy hamohafoha
Izany “lasantsika” izany
Sy ireo niainana taloha

Saika hanoratra aho fa faly
Nibitabitaka sy mailaka
Maika ery hoe ndeha hamaly
Ilay hafatra nalefa imailaka

Nefa izay saika hosoratako
Toa efa voalazanao
Ilay fanahy saika hanandratako
Ny hetsi-poko lasanao

Ka tsy hoventesiko intsony
Ho hirahira litania
Ireo fitiavana namony
Na dia hay fa tsy ho doria

Fa haiko anie hoe mbola any
Ilay toerana voatokana
Hitahiry izany rehetra izany
Ilay “isika roa” manokana

Ka tsy hanoratra aho androany
Tsy hilaza na hanambara
Ireo rehetra “lasa” tany
Sy nivalona ho tantara

07-02-06
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1320 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306