You are here: home > Vetso

Soa fa nisy ianao ry vetso - raozigasy

Soa fa nisy ianao ry vetso

Soa fa nisy ianao ry vetso , ilay elatry ny nofinofy
Vinavina sy kinasa, iry sitran’ny farofy
Ilo taratry ny ampitso, Zavazavam-panantena,
Hendratrendratry ny ho avy, tendry vavaka ekena

Soa fa nisy ianao ry volana, sy ilay taratrao mangarana
Mirotsaka ho an’ny rehetra,  tsy mba misy fiangarana
Moa tsy ianao ilay banjinina, sady anaovan-jerim-bavaka
Ka ilay aingam-po izay nofihinina, abosesehinao an-dravaka

Ka ilay fanahy zary miainga, am-bolana somambisamby
Ampangolen’ny horovitsik’ilay vetso iray mpanambitamby
Volam-betso o ! vetsom-bolana ! tena ianareo mitambatra
No mandraitra sy mandafatra, ilay to , tanteraka ho sambatra

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

fahamarinana (29/05/2009 22:35:17)

Tsy mahita ambara intsony fa dia poa-tsatroka re r'ise a! Mahafinaritra ny fiaingan'ilay Aingam-panahy ! Azo afindra ve izy ireny aloha ?? hihi!

accolade (30/05/2009 10:52:06)

Misaotra an'ise indrindra Raozy !....Tsara, tena tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha