Tadidiko (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TADIDIKO

Efa feno valo taona
no nandaozanao anay

Tadidiko tadidinay,
janoary tamin'izay

Ilay feo "batao ny olona"
ireo mpamangy "fokonolona"

Ilay nandingana tokonana
sy hivoaka ny fiangonana

Ilay "veloma" nifanaovana
sy alahelo nifandaozana

Ilay avy eny am-pandevenana
tsy nisy zava-nanenenana

Ilay isika tsy misaona
f'any aoriana mbola hihaona

Janoary tamin'izay
tadidiko tadidinay

Hay isika tsy nihaona
efa ho valo taona izay

16/02/02
--------
Rohy:
2466 3
Hevitra mandeha
telomahery ( 24/08/2015 20:03)
tsara ilay hevitra nampifandraisanao ho iray ka feno ny votoatiny.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0254