Tankina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray io fanahy io , mora miainga adaladala
mandrotsandrotsaka fanahy, ho riman-teny tsy misala
sendra tranga iray tsotsotra, dia mikorotsaka miredy
aravony an-tononkalo, ireo zava-misy ts'isy bedy

Indraindray io vetso io, mora lasalasa izany
tsy misy antony mazava, tsy nisy hoe nahoana tany
fa dia manambatamba-teny, ho fehezana zaraina
tsy misy alina,antoandro, na hoe hariva sy maraina

Indraindray io soratra io, mora misosa sy malama
tsy hoe voabaiko, na voatery, na misy didy na lalàna
fa misavily am-bangan-danitra, ireo litera tohivakana
dia miraraka an-tany, mitohy tsy misy raha manakana

Indraindray, indraindray anefa …. tsy hita akory izay hoe antony
dia mitokona avokoa, ireo tontolontolon-kantony
tsy hay mihitsy hoe maninona, sarotra koa ny manazava
fa indraindray koa re mba tankina, mba tsy mipentsona ny vava

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1122 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0491