Tia hono izy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia hono izy, tena tia, dia izaho no mba hindraminy
hibitsika ho an'olon-tiany, hampita ireo teny maminy
hampiritsoka any am-pony, ilay fitiavany mahery
mandoro ny aty fony lalina, mahavalalanin-jery

Tia hono izy, tena tia, dia izaho no hampanoratiny
ireo riman-teny adaladala, mampifamatotra ny atiny
mahavahotra ny vavany sy mampiboredika azy
ka sari-molotra sy fo, no tiany ataoko am-bazivazy

Tia hono izy, tena tia, dia izaho no ampiriatiny
marain-tsy hariva, alina, hampita ireo tsy tantiny
handefa ireo sivan-tsariny, hiandry banjina maraina
rehefa izy lasam-borona, sady verivery saina

dia hoy aho mantsy azy, sambatra ialahy raolona
ialahy leitsy moa no tia, dia izaho no miasa sy mitolona
manoratra, mampita hafatra, isan'andro mahamay
atao tokoa fa izay no asa, adidy rehefa hoe finday

Raozigasy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1456 1
Mpakafy: mickellia 06
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319