TOLONA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolona

Ianao ilay teny ilazana
Ireo alahelo izay tsy tana
Ianao ilay hetaheta anaty
Izay mampiainga ireo tsy tanty

Ianao ilay hery hizarana
Ireo mahatofoka tsy tana
Ianao ilay feo abaribariny
Hoe tsy ekena ny tsy rariny

Ianao ilay mamory ny vahoaka
Ka ireo alahelo hivoaka
Ianao ilay antso tsy voafehy
Mitarika ilay diabe

Ianao ilay afo iray tsy maty
Mankarary afero sy aty
Manindrona ny nofo sy aina
Handa ireo izay nosedraina

Ianao ilay sendaotram-po
Manakorontana ny loha
Hitarika hiaka an-dalambe
Sy vahoaka be dia be

Ianao ilay zary koa fitaovana
Entin’ny sasany fanaovana
Sarisarin’Ady an-trano
Ilay mampiteraka angano

Ianao ilay redan-drediredy
Manaitra hambo zatra bedy
Ianao ilay vala hihoarana
Mitarika ilay filaharana

Ianao ilay ilain’ny fireneko
Sy teny baiko sisa ekeko
Ianao ilay sisa maha-olona
Any dago re ry TOLONA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Politika
1137 2
Mpakafy: Zozoro - raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303