Tsara ny andro (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsara ny andro ka indreo
Izay rehetra hitako aninkeheo
Toa faly sady velom-bolo
Toa miramirana daholo

Na ny kely na lehibe
Samy mameno ny arabe
Maka izay mba tandrify
Sao ilay masoandro ka midify

Dia samy manao fitafy
Tsy menatra na mihafihafy
Ka na ambony na ambany
Toa miboridana izany

Ireo tovovavy no jereo
Fa toa tena mampiseho
Ny hatanoran’ny voahary
Angamba azonao an-tsary

Ireo vehivavy mba lehibe
Mba mody menatra ange
Kanefa ny lamosiny ary
Tena hita miharihary

Ny lehilahy moa tsy miakanjo
No mampidera volon-dranjo
Miaraka amin’ny maso adalany
Mila tsy hahita ito lalany

Toa miramirana daholo
Tena faly ny tontolo
Satria tsara ny andro androany
No tena nahatonga izany

Paris 26/05/2004
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
1461 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259