TSENAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohiny sady farany amin'ny HODY

Tena aleo mihitsy leitsy niantso an’ialahy
Fa ilay « avion » hono misy olana angaha
Vao io hariva io aho va nisy nampandre
Hoe ilay « vol » hono ange « retardé »

Ny antony amin’io tsy hay tsy hay mazava
Fa gasy hono ialahy dia hoe miandry lava
Izay « geste commercial » ts’isy
Vao miteny ialahy dia iantsoany polisy

Izay mihitsy ilay mampalahelo ahy,
Sy itiavako ilay « democratie » mbazaha
Aty ialahy vao miteny ny zava-tsy rariny
Dia didin’ny besa, foana no ampariny

Fa ity « anecdote » tantaraiko an’ialahy
Izaho io ilay nimenomenona niseho sahisahy
Fa hoe tsy mahay miasa ry zareo an-tseranana
« Service zéro » ankaotra ny otra fananana

Izaho ilay nikafara lava tsy nisy mpihaino
Nisy sipa iray nanampy hoe teneno
Fa ny eto isan’andro dia izao foana
Miandry lava ka very fotoana

Nojereko ilay sipa, nifampijery izahay
Hay kay tena olona nifankahay
Samy ankona kely, samy naka bahana
Izay vao nifanantona nifanolotra tanana

I Fanja leitsy a, ilay nolazaiko an’ialahy
Hoe sipakely taloha mba nahafinaritra ahy
Dia teo izahay dia nifanontany
Vaovao , maresaka, tena ela izy izany

Firy ny ankizy ary aiza i Madama
Izaho tsy namaly sady nihanahana
Izy aza hono, mbola irery
Sahirana nianatra ka tsy nisy mpijery

Dia samy nihomehy izahay, nifanatsafa
Ankoatran’izay, inona koa ny tafa ???
Ho any an-dafy hono izy hanohy fianarana
Telo taona sisa dia vita sy hifarana

Dia izy miresaka, mitantara, miteny
Izaho nidanaka, toa azon-javatra ireny
Variana aho mijery izato tsiky malefany
« Direct » tam-poko leitsy izany fiantefany

Nangina aho leitsy , tsy nahaloa-peo
Ny bika sy fihetsiny no banjiniko teo
Nangoritsina kely ny tato anatiko
Nangorana kely mihitsy ny lohaliko

Maninona ianao hoy izy an-teny malefaka
Vao maika koa leitsy ny foko nitresaka
Ny masoko leitsy lasa nangirangirana
Tampoka teo izaho lasa miramirana

Adinoko daholo ny zava-drehetra
I Nesy, ny vola, sy ny etsetra etsetra
Raha tsy nosafoiny koa leitsy ny tanako
Tsy niverina an-tany ilay nofy nandramako

……………………..

Lasa leisy izahay
Fa tsenao amin’izay

(TAPITRA)

© Raozigasy
--------
Rohy:
3807 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332