TSY FANTATRO IANAO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FANTATRO IANAO

Tsy fantatro ianao, tsy ho fantatro intsony
F’irony hiranao, ventesina irony
Sisa hahalalako, f’ianao ilay andrarezina
K’ireo kantonao, sarotra verezina

Tsy fantatro ianao, tsy ho fantatro intsony,
f’irony sarinao, ilay felana namony
sisa nobanjiniko, toy ilay feonao
lasa hira fikaloko, eny hatramin’izao

tsy fantatro ianao, tsy ho fantatro intsony
f’irony hiranao, ninoako sy ninoany
ho sakaizan’ny tantara, sy ho rakitry ny ela,
no nahalalako anao, ireo koa moa no tavela

tsy fantatro ianao, tsy ho fantatro intsony
f’ireto havanao, manoratra amin’ny fony
no sisa hahalalako, fa sivy taona izao
no nandaozanao ny tany, sy izao tontolo izao.


Ho fahatsiarovana ny 9 taona nahafatesan'i Nicole Rabaraona Mpihira tao amin ny Surf
--------
Rohy:
2110 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309