Tsy fidiny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fidiny indrisy,
Kanefa efa nisy
Habadoa-nibodo,
Vovo tao am-dobo

Ka iny izy roboka
Ary koa nitsoboka
Avy eo dia nibaboka
Resy ka nidaboka

Ka teo no voavira
Sy voakirakira
izy ilay nijabaka
Tonga dia nibabaka

Hany sisa heriny
Miaina ny ireriny
Milanja izato feriny
Tsy mety hoe averiny

Bikina ny bikany
Ilay henatra voadikany
Dia bakabaka
Sisa no manjaka

Ny nenina kaikeriny
Miondrika ny jeriny
Tsy mety hoe toheriny
Ny latsa no atamberiny

Dia feo milelalela
Sisa no tavela
Anaty loiloy
Ilay zaza efa ho foy

Tsy fidiny azy indrisy
Raha toa ka voaisy
Tra-pitaky ny habobo
Fa bado sady bodo
--------
Rohy:
1590 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.027