Tsy hoe . . . (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe . . .

Tsy hoe ange mioty manta
Fa mba tsindrin-daona
Te hanantena hanta
Rehefa hoe mihaona

Tsy hoe ange maimaika
Ka hioty ny mangidy
Fa lay fitia nitsaika
Ka tsy nanam-pidy

Tsy dia hoe te-hisantatra
Ka haka marikivy
Ka fitia tsy fantatra
No ndeha hatao hahakivy

Fa . . .

Ny tsiky izay natondraka
Handonaka ny tany
Hahatsara vokatra
Nataony hanihany

01/07/04
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1955 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 01/07/2004 12:32)
atolotro ho an'i NYKANTO sy OULLY
Fa moa ve
. . . niriany . . . ilay fioty manta . . . !!!
Oully ( 01/07/2004 14:54)
Manotany tena ihany koa aho!
Misaotra Raozy!
NyKanto ( 05/07/2004 09:02)
Ho fanohizana ilay hadihadin-tononkalom-pitiavana, manontany aho hoe "mety ve ....?" tononkalo napetrako ao
ho setrin'ireo "niriany ... sy ny tsy hoe ...." tononkalo izay nosoratanareo ry namako Oully, Raozy.... hono ho aho mety ve ...

Ny Kanto ihany.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308