You are here: home > Vetso

VETSO - raozigasy

VETSO

Ity vetsovetso iray ity
Dia vetso tsy nataoko ho ahy
Fa nataoko ho an’ireo izay Tia
Manan-toky, tsy miahy

Ity andro androany ity
Dia andro iray angamba hiavaka
Fa kalokalon’ny Fitia
No antsa, hira, sady vavaka

Ity andro androany ity
Tsy hoe voatokana ho an-dRoa
Mpifampizara ny “Fitia”
Fa ho an’ny rehetrarehetra koa

Ka mba tsara ny hisainana
Raha mety ataovy toy ny anio
Ny andro rehetra sisa iainana
K’hanjaka io  Fitiavana io

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

pissoa (14/02/2006 16:30:57)

Marina ny anao!

Hametraka hevitra

Midira aloha