Vetso mikorisa (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tsiky iny, niantefa tao am-poko
Tsy hitako fiavy, kanefa dia nisoko
Ka dia namela-dasy, no sady naka toerana,
Izay haravoana nentiny, sarotra noferana

Ilay hira iny, nanako tao an-tsofiko
Ilay isan’andininy, kaloiko anaty nofiko
Nivadika ho feo, siahako maraina
Hitako avy eo fa mamy ery ny miaina

Ilay maso iny, nitongilana fijery
Nandrehidrehi-po, nampiteny irery
Namela sary adala, narafidrafi-tsaina
Isika roa malala, hamela sombin’aina

Ilay vatana iny, kanto tsara voatra
Na ny bika na ny tefy, mevameva loatra
Voasokitry ny tanako, tanatin’ny tsy misy
Ka tonga dia nanaloka, ireo sento sy indrisy

Ilay izaho tokana sy Ilay ianao irery
Toa azoko an-tsaina, manao fangalam-piery
Samy tia tsy sahy, ka am-binany sisa
No ampitapita, ireo vetso mikorisa
--------
Rohy:
1259 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312