WEEKEND (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohin'ny HERINANDRO IZAY NO LASA

Tsy andriko leitsy izay hiantsoana an’ialahy
Fa mientanentana be aho « zah »
Nahafinaritra be mihitsy ny « week end »
Maika hitantara aho ka mendimendy

Revy nilay leitsy ilay tamin’ny zoma
« Ambiance » be tao amin’ny « Paprika »
Nisotrosotro aho dia « dozidozy »
Dia bebe resaka sy kozikozy

Izaho moa hain’ialahy tsy mahay mandihy
Nefa tao aho ni-kawitry be ry leiry
Tena « nanal’azy » aho tsy nisy « excuse »
Izay aho vao tena hoe ni « s’amuse »

Izaho ilay mihira mamalana be
Nivazo amin’ny fo tamin’ny « karaoke »
Tsy nisy bedy tsy nisy kafara,
Fa nihira aho leity, na ratsy na tsara

Rehefa tonga ny tamin’ny iray
Lasa nandeha tany amin’ny « Look’s » indray
Nanenjika mafy koa moa « Ramarie »
May ny vavony nokakasan’ny Py

Teo akaikinay nisy andiam-behivavy
Avy ni-« longue » avy Tamatave
Izaho moa ilay tsy « norme » dia sahisahy
Hoe ianareo telovavy, izahay telolahy

Nandeha ny resaka sy ny balaoasy
Ny « plan » votambotany, ahoana ny pasy
Ry zareo hoe mody any amin’ny « soixante sept »
Ka aleo aterina raha toa ka mety
Ilay Rav 4 nefa moa kely
Ka dia nampofoiko ilay kelikely
Iza ny anaranao moa raha tsy maninona ?
Izy namaly hoe « Ernestine »

Izaho saika nihomehy, hay izahay tonga
« Karibo agnareo », hoy zareo tsy nisomonga
« Mandroso agnareo , higaka labiera »
Izy roalahy tsy nety fa hoe hamonjy lera

Izaho moa ni « insiste » dia navelany teo
Ialahy no « vacances » sy « celibat » ka reveo
Dia nandeha nody ary izy mi-tsam
Izaho irery sisa no tafajanona

Dia nitohy ny revy, natono ny hena
Ny vazo mandeha amin’io Tence Mena
Nafindra ny seza, nasiana « place »
Nandihy tamin’ilay hira vaovao « face à face »

Tsy tadidiko intsony avy eo leitsy ny tohiny
Izaho nanoroka azy, avy eo dia norohiny
Dia tany aho leitsy ny « week end » tontolo
Ny « rendez vous » rehetra adino daholo

Fa izy aloha leitsy , raha bika dia manja
I Nestine hono avy any Ambanja
Izy roa vavy avy any Antalaha
Fa zareo manao bizna eto Tana

Izay leitsy aloha fa avelako ialahy
Ndeha hody aho io hamonjy « bàbà »
Sady misy sms koa io ny finday
I Nesy leitsy io hoe modia amin’izay

(hitohy)

© Raozigasy
--------
Rohy:
3514 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313