You are here: home > Vetso

NY ZEZAKO - RARY Elysee


Tsy politika , tsy mpitondra fivavahana
Fa izay rehetra eo mamikotra mamahana
Izao no voatendry, izaho no voafidy
Izaho irery ihany no masina mpandidy

Raha ianao miady hanongam panjakana
Gadraina avy hatrany amoronana lalana
Na ianao manoro na miseho manatsatso
Dia valiany tsotra hoe izaho anie voaantso

Ry miaramila, ry mpisolelaka inty aho tompoy
Izay manohitohitra ao roahy na avy dia vonoy
I madama lay hany nofidiko ho taolan tehezako
Hafoiko tsotra izao raha hamadika ny sezako

Ny hadalako rehetra saromy sy totofy
Avelao izay vahoaka hiaina anaty nofy
Matoa aho eto dia sitrak `Andriamanitra
Ka mieke, mandady nareo ambany lanitra

Izaho ambony seza ianareo tsinotsinona
Fahantrana, hadalana : O tsy maninona
Ny sezako ato am poko hariva sy maraina
Ny sezako io no vavaka tsy sahiko zaraina

Rary Elysee

Sokajy : Politika

Mombamomba

Mpanoratra : RARY Elysee

Nampiditra : bigup
Daty : 21/06/2006
Mpamangy : 1128
Mankafy : 0
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha