aiza (Rary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tonga ilay maraina
mazana,toa ventesina
dradraina sy renesina
sy raketina ao an-tsaina...
hoe lasa indray
ny haizinao ry alina
ireo ola-mahafanina
nisy hatrizay
fa amiko kosa
toa fijaliana hatrany
tsy misy fiafarany
sa 'zah no kanosa
fa hiady sy hisasatra
hiady tsy amin sandry
mba hoan ny andefimandry
sy ireto zanaka
aiza indray no misy..
no hahita tohan aina
hoa ny menaky ny aina
zay tsy mahalala tsisy
aiza indray no amidy...
hanalana fiafiana
sy hividianako fitafiana
hoa ireto ankizy
aiza indray no hizorako.....
hizaha sakafo mba sahaza
na dia kely fotsiny aza
hoan ny ankohonako
aiza indray hijery....
vola hoenti manana
hanampina ny eto an tanana
mba hamitana ny adidy...


rary 20/09/18
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
671 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rary
Nampiditra : rarynofy
Daty : 20/09/2018 11:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124