You are here: home > Vetso

hoanao - Rary

angamba ianao androany
ry sombinaiko hanontany
hoe nahoana isika no tsy manana
na koa irony mpanana
mba nitady ihany aho
ary mbola itady hatraminizao
tsy kivy koa fa manantena
ny ho avinao no jerena
fa tiko ianao ho tafita
zay kely angona,to ritra
tsy mba angona fananana
fa ny hoanao,dia fianarana
mahay dia zaho no sambatra
reharehako,tena fatratra
ataoko fatatry ny olona
fa izao no vokatry ny tolona
ianao mantsy no fiainako
hery ho ahy,itarainako
rahatrizay  ka trotraka aho
dia ianao,eny ianao

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Rary

Nampiditra : rarynofy
Daty : 27/09/2018
Mpamangy : 227
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

tiko ianao
nahoana?
meloka
kolikoly
aza!
tsy sahy
aiza
tia
azoko faritana ianao ry k
iny taratasy iny efa noma

Hametraka hevitra

Midira aloha