You are here: home > Vetso

kolikoly - Rary

inona marina ny marina?
raha tsy misy koa ny diso
saingy indrisy tsy ho tafarina
fa ho kolikoly ny ampitso
levona tsy hita
ka takona tsy hipoitra
ny zava-marina toa ritra
fa mbola nisy koa ny tsolotra
tsy fahatrana anefa no afaka
fa ady koa ny hiafarany
izay bitika mangataka
toa halentika hatrany
dia noho ianao ry kolikoly
takona avokoa ny mariny
oh!resinao ny baiboly
notsipahinao koa ny rariny
navadikao ny tena izy
nataonao diso koa ny marina
fa  ny ambany efa kivy
mbola hitsahina tsy hiarina
fahatrana,fangenjana
adi-tsaina sorisory
vola,fanamparam-pahefana
dia noho ianao ry kolikoly
(...)

Mombamomba

Mpanoratra : Rary

Nampiditra : rarynofy
Daty : 25/09/2018
Mpamangy : 82
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

tiko ianao
hoanao
nahoana?
meloka
aza!
tsy sahy
aiza
tia
azoko faritana ianao ry k
iny taratasy iny efa noma

Hametraka hevitra

Midira aloha