You are here: home > Vetso

meloka - Rary

meloka aho,fa mandehana
mendrika ahy ny fonja anio
aza  arotsaka eto akory
ny ranomasonao
sao ritra noho ny amiko
adinoy aho...
dory ihany koa
ireo fitafiako izay tavela
aleveno sao hampatsiahy
ny tantara ratsiko
hatrizay...
ataovy vakoka ho tantara
ilay teny mamiko fahiny
aza aseho an iza n iza
sao hianao
dia hisy handatsa...
ka ho fahoriana ho ahy
raha misy koa mahalala
mody ataovy tsikitsiky
fa ndrao matsy ny an-tsainy
hitsaranao ho adala
afenoy ihany koa
ilay diary kelitsika
nosaratana tanaty fitiavana tsy lany
sy tsara aok izany
afenoi fa aza dorana
fa iny sombiniantsika  iny
mbola hamelona
ao anaty,
hitantara amin ny namany
hoe ireo no mba fananany
ka tehirizo raha azo atao
ny teniko androany
efa nomaniko hatry ny ela
ka aza gaga ianao
fa andehana,mandehana
mendrika ahy ny figadrana
rary 25/09/18



Sokajy : Alahelo, fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : Rary

Nampiditra : rarynofy
Daty : 25/09/2018
Mpamangy : 94
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

tiko ianao
hoanao
nahoana?
kolikoly
aza!
tsy sahy
aiza
tia
azoko faritana ianao ry k
iny taratasy iny efa noma

Hametraka hevitra

Midira aloha