IZAHO SY IANAO (Rasobakobako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho mbola tinao foana, na dia tsy mendrika aza
Fa raha mbola eto antany, tsy misy teny mahalaza
Ny fitiavanao, ny voninahitrao, ny hatsaranao
Ho ahy tsy manao akory ireo izay sitrakao
izaho milaza foana fa tena tia anao
efa impiry impiry no mivoady aminao
mifona sy mibebaka, hoe tsy hamerina intsony,
manao tsinotsinona anao Ray masina ao ambony

He izaho izay mpanota, tsy mendrika anao akory
Mbola nantsoinao, nofidianao mba hitory
Izay nomenao ahy rehetra, tsy mba nisy natakalo
Ny hany angatahinao ny handreseko fahavalo
Nefa izaho dia kely loatra, akaikin’ny fahalebiazanao
Sady mora misendaotra, mimenomenona lava izao
Tsy mba mety afa-po, mitaraina, vaky loha
Ny amizay momba ahy, ny amin’izao tontolo izao

Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1412 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasobakobako
Nampiditra : rasobakobako
Daty : 17/04/2009 13:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137