FIANARANA (RATAN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandehana mianatra dieny malaina,
fa rehefa mahazoto tsy afaka intsony.
Ohabolan'i Ntaolo miendraka ho deraina,
Izay tena hampiasaina no sady ho hajaina.

Ry tanora kamokamo,
no hentina hitondrana hafatra fa tsy angano.
Satria isika dia variana ny mirendrarendra;
ka eo ianao tavela, ilaozanao mivandravandra.

Raha ny fianarana no asian-teny!
Dia tsy iadian-kevitra fa lova sy harena.
Ary miatomboka amin'ny famakian-teny.
Ary lasa mahazatra sy lozika ny hameloman-tena!

Ho anao ary, harao ny hafatry ny Ntaolo,
fa ahatonga anao ho tompo-diplaoma.
Ka hataon'olona ny miendra ho deraina.
Ary avy eo koa lasa injenera.
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - fiainana
908 1
Mpakafy: Ratan03
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATAN
Nampiditra : Ratan03
Daty : 30/12/2017 06:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146