You are here: home > Vetso

MALAINA - RATAN

Jereo ty endrikao
tretrika tsy manankatao...
Aza malaky kivy mialoha,
mitraka dia ampiasao ny loha.

Tsy hitako intsony izay hatao,
izaho ty menatra ny mpianatra vao,
tsy mety amiko intsony angamba no makany.
Fahaizana tsisy dia ny vola no lany.

Hipetraka fotsiny dia aninona?
Ny manoro hevitra anao indray ty no hataonao tsinotsinona
Tsisy vola be anie ho lovaina eh!?
Sao efa tafita ny sasany dia mangohaina...

Kivy aho ry Dada sy Mama!
Na terena sy pasohana ho halama.
Ny saina sy ny loha no efa tsy vonona;
Aleo mba amin'ny sehatry ny asa tononina.

Fahorina sesilany
no miandry anao any.
Mianara ré! Dia mahazotoa!
Hivavaka amin'ilay Ray aho dia lafatra tokoa.

Mombamomba

Mpanoratra : RATAN


Nampiditra : Ratan03
Daty : 30/12/2017
Mpamangy : 28
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

HERINANDRO
BERGUITTA
NOFY
Ny ANIO
Ny ALINA
TAPAKA
Fa andro inona hono zareo
Hafatra
AVA
NY BOKY

Hametraka hevitra

Midira aloha