Nahaona ianao... (RATAN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahaona ianao no tsy miteny?
Izaho ity efa manirery
tia ahita lay endrikao,
ny fitiavana anao tsy natao kilalao

Nahoana ianao no tsy mifaly?
Izaho aty tena mijaly...
Mahatsiaro ny taloha,
na ratsy izany na ny soa.

Nahoana ianao no tsy tonga?
Izaho aty efa somongamonga...
Miandry anao mba handalo,
tsy nahoanao fa fahavalo.

Tsy maninona zany raha sipa ah!
Aza mihevitra ahy ho hita a...
Tsarovy fa bandy ny aty,
izaho koa tsy hiantso anao CHERI!
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
708 1
Mpakafy: Ratan03
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATAN
Nampiditra : Ratan03
Daty : 29/12/2017 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151