You are here: home > Vetso

NOFY - RATAN

Hambarako aminao
Ilay teny izay hatokako ho anao
Nampiko voninkazo
Ventsoniko tsy halazo
Manitra sahady
Rehefa niharitra sy niady
Nandamaka apandriana
Rehefa manina sy sondriana
Malefaka fiteny
Menatra mijery
Ny ao am-po hafahafa
Matahotra ny hitafa
Ny ankilany ko moa dia tara
Miandry izay bandy ao afara
Dia nitsiky re izy ity
Ambarako azy ve sa tsia ?
Ra sipa ity efa liana
Miandry an'izay fanontaniana
Ny alina tsy natory
@ty olana manorisory
Ny maraina vao tonga saina
Fa hoe aleo hampanjakaina

Mombamomba

Mpanoratra : RATAN


Nampiditra : ratan03
Daty : 12/01/2018
Mpamangy : 82
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

HERINANDRO
BERGUITTA
Ny ANIO
Ny ALINA
TAPAKA
Fa andro inona hono zareo
Hafatra
AVA
NY BOKY
MALOKA

Hametraka hevitra

Midira aloha