Ny ANIO (RATAN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
E!lasa indray ianao ry alina
Ka tonga ny androko maraina
Arahina feon'akoha manaitra ahy rehefa malaina
Ka mitondra ny soa ka aleo ty ho lazaina!

Andro maraina mangatsiaka isan'andro
Izany no ianantsika rehefa andavan'andro
Arahina zavona sy feom-boron-kely
Naheno an'izany aho ka naika voavely!

Tazanina mazava,mitondra ny soa
Ny lalankaleha sy ny tananako izao
Arahina endri-bika mahafinarita be
Nefa mahatsikaiky no mahita an'ireto alika be!

Tsara avokoa tazanin'ny maso
Na olona na biby rehefa mety zavatra kanto
Arahina tsiky,fandeha midoladola be
Oay!hagagana ny ahy sady nihomehy!

Fotoam-pazavana,fotoam-pitadiavana
No nasetriny olona am-pitiavana
Arahina sakafo,dité rehefa mandeha
Nefa,safidio ihany anefa izay lalankaleha!

Ny lalankaleha mody indray aloha izao no dia
Rehefa avy nitady izay mahasoa anay ity
Arahina vary sy laoka
Eny,ary tsy adino ihany koa ny Taoka!!!!

Izay sy zay ilay androko anio
Tantarako ianako io ka tadidio
Saingy indrisy anefa,fa tsy izaho irery no miaina an'io
Fa...ianao,isika,ka olona madio!!!
--------
Rohy:
964 1
Mpakafy: ratan03
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATAN
Nampiditra : ratan03
Daty : 12/01/2018 07:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142