You are here: home > Vetso

ANGAMBA !? - RATRA

Angamba voamosavy
'lay loloko satria:
Felan-tsilo feno landy
no tiany hitoerany odoria
. .Dia felan-draketa
. .rano dity no mba ilony
. .Ataony hanafaka hetaheta
. .kinanjo fa nandromboka ny tsilony
...
Angamba tena adala
'lay joreriko nanidina
Satria tsy nahalala
afa tsy ny hiakatra tsy hidina
. .Ny faniriany mantsy irony
. .hanakatra ny aropilanina
. .Anefa raha vao tonga tambonimbony
. .dia nitsingidina satria fanina

Mombamomba

Mpanoratra : RATRA


Nampiditra : Maintsondratra
Daty : 01/07/2016
Mpamangy : 707
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

AZA ANONTANIANA!!!
AZA MANADINO!!!
ILAY FO VORONKELIKO
NA DIA TSY HO AHY

Hametraka hevitra

Midira aloha