ILAY FO VORONKELIKO (RATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FO VOROKELIKO
...
...
Mba ary elatra
hono ity fo vorokeliko ka naniry hisidina
Hikopak'elatra
eny antsahan'ny hasambarana ary tsy hidina
Dia indray nitselatra
dia iny fa tonga tena antsahan'ny hasambarana
Ary indray nanjelatra
dia nahita ilay hafaliana tsy nety nifarana
...
Ravo sy faly
ary trinetrika izy tao androvam-pitia
Hijaly??
Izany dia tsy hisy ary natao sanatria
Satria tokoa
'lay foko haolo toa tapon-tanety
Dia nanjary ho soa
feno hasambarana nefa niserana vety
...
Indrisy ilay anjelikeliko
toa lasa nandao tsy niteny,tsy niera
'lay fo vorokeliko
nisy nitoraka ka lavo nianjera
'lay Edena
izay feno anjely noheveriko hahasambatra
Toa sarotra ekena satria feno lolo,kokolampy ary angatra
...
Fa ny nandRatra ny foko
'lay fo voronkeliko hisidina avo
No nampitoloko
satria voan'ny pilotra ka nianjera sy lavo
'lay foko mahantra
ary izao ny hasambarany vao mba hisokatra
Toa nanjary naratra
tratry ny tsy mataho-tody,mpisopatra
--------
Rohy:
1231 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATRA
Nampiditra : Maintsondratra
Daty : 06/07/2016 03:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144