NA DIA TSY HO AHY (RATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia tsy ho ahy aza ianao!!??

Dia ilazako kely,
fa misy fitia manirery
manembona olon-tiana
'zay mitoetra ato am-poko
mifono aman-toloko
omeko anao mangina

Satria efa fantatro
fa isika tsy ho tafara-dalana
ary efa eto ilay sapanana
'lay fitiavanao tsy takatro
hoe voakamina,voarindra
fa toa mifindrafindra

Sa ve raha miova ny fotoana,
raha miova koa ny taona
dia ovana koa ny tiana?
Dia ampidirina ny vao
fa ilay taloha efa lao
ka atsipy sy ariana!?

Eny makasitraka ny vita
tamin'ny fiarahantsika
izay ela izay aho lahy
Fa ny tiako ho fantatrao
ity foko tia anao
eny ianao NA DIA TSY HO AHY!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1727 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATRA
Nampiditra : Maintsondratra
Daty : 01/07/2016 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092