AMBAKA (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1-Taitra aho nandre tabataba
Ka lasa nitazana koa
Indreo eo anilan'ny daba?
Miady ny alika roa!

2-Ny daba nazerany mantsy,
Ny taolana indreo nipariaka,
Ka vava sy vangy fa tsy antsy,
Izany no adin'alika!

3-Tsy ela nisaraka anefa
Fa nifori-drambo ilay kely,
Nidaboka, tsy afa nilefa,
Ka niala ilay saika hamely!...

4-Ny olona ve, lehiretsy,
Ambaka ny alika ka ravo,
Tsy menatra hanenji-dresy
Sy sahy manindry ny lavo?

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Mandroseza, faha 15 Septambra 1966
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1452 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144