Ilay voadiko (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1-Manana voady ny foko,
Voady natao hatry ny ela
Ventesiko, kolokoloiko
Tsy maty fa mbola tavela.

2-Na inona zava-mihatra,
Tanako izay, voady izay
Tsy avelako ‘zay raha tsy tratra
Na ampitso na mandrakizay.

3-Na zovy mitady haniny
Fa sarotra loatra ‘lay voady,
Tsy ahoako fa vao maika iny
Hampitroatra ny saiko hiady!

4-Tsy hery na mba fahefana
No fototr’izay voady izay
Na harena hireharehana
Fa hilaozana rahatrizay

5-Tsy laza na fahamboniana
Imatimatesan’ny maro
Inona ary ity nivoadiana?
‘Zay mahay maminany fantaro!

6-‘Zay voadiko izay, raha tsorina
Nofidina natao mafy orina
Tsy angano fa zavatra marina
Tsotra ihany fa saro-pantarina

7-Latsa-paka, tsy mety voaongotra
Dia: “Hiondrika raha tafasondrotra”
“Ho tetezin’ity Fireneko”
“Hiantsorohiko na ho babeko”
“Hiampita ny tevana lalina”
“Sy handositra ny aizin’ny alina”

Ny RAHONA RATSIMBA Georges (NRRG)
Ambohidrapeto, 12 Aprily 1954
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1747 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097