VAVAKA (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô!

1-Raha mitsoka ny tafiotra
Ka miezaka hamongotra amin'ny heriny rehetra
'Zay manohitohitra azy,
Ampianaro ahy kosa ny fetezana hilefitra
Toy ny ahitra malefo

2-Raha ho safotra ny tany
Fa ho tondraka ny rano ka handriaka be hipaoka
'Zay manohitohitra azy,
Ampianaro ahy kosa ny ho toy ny singan'ahitra
Tsy ho montsana atontany!

3-Raha manampatra ny heriny
'Reo nomena fahefana hampangina ny rehetra
'Zay manohitohitra azy,
Ampianaro ahy kosa ny ho toy ny fofonaina
Tsy azo foanana amin'ny orony!

4-Raha tonga ny andro iray
Hananganana ahy hifehy 'reo nifehy fahizay
Nampangirifiry ahy,
Ampianaro ahy kosa ny hahay mamihin-tsandry
Tsy hamaly ny halozàny!


Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Hôpital Girard et Robic, faha 18 may 1965
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014