ZARY TENANY (RATSIMBA Georges)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resadresaka tsy kabary
Tositosy tsy mba fitia:
Sombinaina tsy mba fanary
Fa tsinjovina raha mania!

Kolokolo tsy tena vary
Vosobosotra tsy mba ady:
Tsongo teny no mankarary,
Mampisaraka ny mpivady!

Tsangatsangana tsy mba dia
Ombikombika tsy mba toko:
'Zay manitsaka ny olon-tia
Mbola hanenina sy hitoloko

Siatsiaka ny tia lasary
Evoevo tsy tena asa :
Vao porofo sy sarisary
'Rony vazon'ny andro lasa!

Alonalona tsy mba rano
Kopakopaka tsy mba sidina :
Ny kileman'ny tokantrano
Tsy fambara ny manodidina!

Gogogogo tsy àry tany
Sentosento tsy alahelo :
'Zay tia manontanintany
Sy mikalo mamelovelo!

Farahehy tsy fifaliana
Zarazara tsy manontolo :
'Zay mamadika fitokiana
Tanalahy mora miova volo!

Dobodoboka tsy àry amponga
Tsipy sandry tsy àry dihy :
Mpamosavy fa tsy somonga
Ny mpihatsara ivelan-tsihy.

Raradraraka patrakala
Rodaroda ny afom-bozaka:
Robaroba ny haren'adala
Voky vola vao mitofezaka!

Fandriandry tsy àry tory
Sangisangy tsy àry tenany :
'Zay manahaka ny voavory
Modimandry vao iverenany!

Vavavava tsy àry teny
Tobatobaka ny tsy erany :
'Zay mitsipaka ray sy reny
Tsy hahazaka ny hifoterany!

Arahaba ny sarasara!
Ny olo-mamy no olon-tiana!
Raha ny teniko no tsy tsara
'Tony tenako aza ariana.


Ny RAHONA RATSIMBA Georges ( NRRG )
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
1796 1
Mpakafy: cedarf
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014