IZY (Ravaky Ny Kolo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy ilay alaiko
sary ao an-tsaina
Emboniko isan'andro
Raha vao tonga ny maraina

Hanaovako mihitsy
tonom-bavaka miavaka
Isan'ora , isa-minitra
Rehefa iny izaho mivavaka

Izy koa indraindray
ilay manosika ny peniko
Hivetsovetso am-panahy
Ny tsy zaka anaty... izay afeniko

Izy ilay tokana
mpitantana ny diako
Masoandroko sy volana
Mamiko sy tiako

Izy ilay lavitra
Tsy anilako matetika
Fa rehefa izaho mahatsiaro
Ny anarany ventesiko.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
630 2
Mpakafy: arinofya - Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravaky Ny Kolo
Nampiditra : RavakyNyKolo
Daty : 07/05/2019 11:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138