Iny veloma iny (ravaomanahirana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY VELOMA INY

iny veloma iny
tsy nampoiziko ho farany
veloma nisy tsiny
mandrakizay no nambarany

raha nantenaiko tokoa
fa tsy hifankahita intsony
nampiononoko ny fo
ny saiko koa ho tony

iny veloma iny
voafantsika ao an-tsaiko
veloma tsy niriany
tsy tiako koa fa tsy haiko

voatery handao azy
ho mandrakizay koa
izy niangavy
mijanona re ry soa

nanary reni-tiana
na nandao angamba
satria nisy faniriana
ilay fitiavako jamba
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1488 0
Hevitra mandeha
andriary ( 30/01/2005 10:35)
Izy efa lasa
Moa ve ho voafafa?
Ny tantara niarahana?
Ary ny ho avy,
Izanyhibaby?...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ravaomanahirana
Nampiditra : ravaomanahirana
Daty : 24/01/2005 13:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137