Afeniko (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa raha vola aman-karena,
No lazaina ho fahasambarana.
Tsy miambo izaho milaza,
Hoe izaho no tena miadana.

Tonga lafatra raha ny tefiny,
Fakan-tahaka mihitsy.
Saingy indrisy,
Fa fitaka ireny.

Fa ao anaty tsikiko iny,
Lazaina tsy misy tsiny.
Ao no afeniko ny loko,
Lokon'ireo karazam-pijaliako.

Ao ambadiky ny akanjo,
No hitondrako ny manjo.
Sy ny fiferotan'aina.
Izay tsy tiako zaraina.

Toy izany koa ny fiara,
Ao no afenina ny ratra.
Ary ny tranobe no fasana,
Mandrotika ny nofoko isan'alina.

Ny vola no mba noheveriko ho namana,
Hahafahana mividy fahasambarana.
Indrisy fa izy no fototra.
Nanimba ny fiainako rehetra.

Tsy vatra ny hitantara ny alaheloko,
Indrindra fa ny tolona mafàna ato anatiko.
Ka aleoko fotsiny mangina, ao anaty no mifona.
Satria ahy ny fahadisoana.

Veloma, r'ilay vady malalako.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
835 1
Mpakafy: Haphy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192