Aleo rahampitso! (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy olana hitranga,tsy ahitana vahaolana,
aleo izany tsy anio,fa mazana ny hiatrika izany androany.
Fa aleo ho rahampitso, no isehoany hanakorotana.
Fa ny androany mba aleo ho fifaliana lavitra tomany.

Aleo rahampitso koa raha misy fangirifiriana,
fa ny anio tsy tiako hampijaliana.
Aleo ny androany,entina hialana sasatra,
fa ny ampitso no volena vesatra!
Eny,aleo anio ny fifaliana,
fa rahampitso ny fijaliana.

Dia aleo koa ho rahampitso izay ho fahafatesako,
fa ny androany aho tsy mbola vonona!
Ny anio mantsy no matimatesako,
fa ny ampitso, tsy ho eritreretina!
Ny valin-teninao ry tiana,raha fandavana,
aleo tsy angamba anio no amoahana izany!
Raha mety,aleo ho rahampitso,
fa ny androany aho tsy vonona hitomany!
--------
Rohy:
Sokajy : Hoavy
1351 1
Mpakafy: MAMINTANTELY
Hevitra mandeha
MAMINTANTELY ( 17/12/2015 07:07)
dia raha ho tonga indray ny ampitso ve dia hoe aleo rahampitso?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148