Dadako tiako! (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tsy laitra fa be hafatrafatra,
Mananin-jato ny be hanatranatra.
Tsy azo sakatsakanana hiteny izany;
I dada rehefa hiteny amin'ny zanany tiany!
*
Mitratrevatreva amin'ilaivana azy,
Mamazivazy nefa koa manasazy!
Be hambom-po manahirana ny hafa,
Izany no dada tsy manan-tsahala!
*
Teo foana izy nanara-maso,
Manitsy tampoka raha sendra diso.
Amin'ny teny mahery, indraindray mba malefaka,
Manaraka eny ny safo sy ny daka ary ny tefaka!
*
Ilay dada fitiavana irery izany,
Soavalinao fony ianao mbola kely!
Tsy mba nisaina ny ho azy mihitsy,
Fa rehefa voky ianao dia mandrezatra izy!
*
Indraindray anefa izy somary miadaladala,
Olona ihany tsinona hiaraha-mahalala.
Tsy izany anefa no hanilihana azy,
Torio fitiavana izy fa izany no ilainy!
*
Na toy ny ahoana ny paoziny,
Na koa mety haratsy na hatsaran'ny bikany!
Ny dada dia dada foana rankizy,
Tsy hary teto ianao raha tsy teo izy!
*
Ka omeo ho azy izay sahaza azy,
Tolory fitiavana izy fa izany no ilainy!
Zavatra tokana no iriany amin-janany,
Dia ny manaraka izay anatranany!
*
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
881 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159