Dia anadino ve? (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia anadino ve!
Ka hanao hoe tsy nisy izany?
Etsy kely anie:
Ndao averina raha mety ihany.

Tsy mora amiko,
r'ilay mamiko.
Ny hamafa ny anaranao,
Ao am-poko ao.

Ka angaha moa fanahininiko,
Ny nanitsaka ireo voady.
F'ngah koa mba niriko,
ny tsy ianao ihany ka hitady.

Fa ireny mirenireny.
Toa feno manodidina ahy,
Efa ilazako fa tsy mety reny:
Mihataha amiko ianao raha Fankam-panahy.

Izy no nisarika ahy hivily kely aminao.
Mba hivily mba tsy ho any.
Nefa tao alohaloha tao.
Izaho anie tonga saina ihany!

Ka raha mbola ao koa,
Ilay fitiavanao ahy!
Mba amindrao fo,
Ity foko miahiahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
921 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148