Efa mahazatra (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpamangy ahy efa hatramin'ny ela,
Ny sento vokarin'ny embona.
Efa sakafo mahazatra ny lela,
Kanefa indraindray toa miteraka aretina!
.
Na andro na alina, tsy azo vinany,
Tsy hananan-tsafidy fa tsy maintsy henoina.
Na sendra mifaly, na sendra tomany;
Dia tsy maintsy hampandrosoana...
.
Toa tahaka ny vato am-babena,
Efa mila tsy ho zaka bataina!
Ny alahelo mianjady amin'ny tena,
Kanefa tsy maintsy lanjaina!
.
Ny sary tehirizin'ny tsiahy tsy azo fefena,
No mandoaka ny fo ato anaty.
Efa fahita kanefa mbola tiana jerena,
Eny na dia mila ahafaty...

.
Ny embona, ny alahelo ary ny tsiahy.
No andaniako ny androko
Efa namana mahazatra ahy,
Sy sakaiza tena mamin'ny foko.
.
➡➡ Nosoratan'i Herizo
RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
895 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146