Farany (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia nisy fahatsiarovana,
Tsy voafetran' ny fotoana.
Nahatonga fanembonana.
Dia tsy maintsy hisaona!
*
Eny na dia sary efa zary raikitra,
Ato anatin'ny eritreritra.
Dia tsy maintsy ho esorina daholo,
Fa mahatonga alahelo!
*
Ka tsy maintsy hamongotra ny fototra,
Izay efa mafy tototra.
Satria ampy izay taona maro izay,
Aleo manao zavatra hafa indray!
*
Tsy ny tena akory no kely finoana,
Sanatria amiko raha izany!
Fa raha ny hiandry lava foana foana!
Dia naleoko akory tsy nahalala azy!
*
Saingy tsipolotra ny foko,
Mipetapeta-poana!
Tsy hainy marina ny ampitso,
Ka niantsampitsamy foana!
*
Farany namototra,
Na dia efa tsara fatotra!
Tsy hoe lany koa akory ny fanantenana,
Fa nisoroka sahady ny atao hoe fanenenana.
*
Ndrao harary fo na koa harary saina,
Ka hanahirana ny havana sy namana.
Amin'ny zavatra tsy fantany.
Dia aleo mitandrina ihany
*
Raha tsy hisy ho to mihitsy mantsy,
Ilay nofinofy vao mitsiry!
Dia aleo katsakatsanana haingana,
Dieny mbola tsy misy fakany.
*
Farany tsy hieritreritra azy intsony,
Tsy hitsiahy ny momba azy akory.
Fa izany anefa tsy hidika velively,
Hoe ritra ny fitiavako azy!

=> Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
723 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105