You are here: home > Vetso

FIANARANA - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Raha te ho tafita,
ity ny marina tsy azo odian-tsy hita:
ny miditra am-pianarana no lalana!
ndao f'aza mialangalana!

Any no fandrafetana,
ireo drafitra sy fanomanana ny hoavy!
f'izao:manana faharetana!
ilaina fikirizana ny any fa tsy adin-tavy!

Any no ahitana ny fahalalàna!
izay ahaizana ny rehetra!
tsisy dikany ny manàna nefa olona sanàna!
satria tsy mahay:fa kamo no sady voretra.

Ny fianarana rahavana!
no lova tsy azo arina,
entano ny saina,hianatra am-pitiavana!
hialào ny tsy firaharahiana!

Sokajy : fianarana

Hevitra mandeha

zonytsiahy (11/12/2015 17:18:55)

Ny maha malagasy ahy no asehoko! misaotra ho anao izay manaraka!

Hametraka hevitra

Midira aloha