Haiko tsara ny fitiavana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso ianao raha mihevitra,
Fa taraiky aho raha fitiavana.
Na koa vao mianatra mamindra,
Ka mila omena bahana.
.
Avy eo hosehana hidaraboka,
Sy hampiosonam-bovoka.
Raha mbola fitiavana no resaka,
Dia diso ianao raha mitetika
hanambaka.
.
Fony mbola zaza mantsy aho,
Tsy nisy fantatro ny fianana.
Fa ny zava-tokana hany takatro,
Dia tsy misy afa tsy fitiavana.
.
Na mankany am-piangonana.
Hihaino fampianarana,
Tokana ihany no toriana,
Dia ny momban'ny fitiavana.
.
Ka na ny Ntaolo aza moa,
Nikolokolo ny tena tamin'ny
fomba fitenenana.
Hoe ory ny iray fa sambatra ny
roa,
Izay nampiraisain'ny fitiavana.
.
Teo koa ny fiaraha-monina,
Izay namolavola ny fisainana.
Fa tsy misy olona lasa lavitra
izany,
Raha tsy manana fitiavana.
.
Niantso ny mpitondra fanjakana,
Nanamafy koa ny mpitondra
fivavahana.
Fa raha te hampandroso
tanindrazana.
Dia mila hampanjakana ny
fitiavana.
.
Ka ahoana aho no lazaina fa bado,
Nefa ny rehetra manodidina.
No midradradradra isan'andro,
Ny momban'ny fitiavana.
.
Hamehezako azy ary,
Fa diso haiko ny fitiavana.
Dia satria izy voajanahary,
Ka tsy dia ilaiko fampianarana.
.
⇛⇛➤Nosoratan'i Herizo
ANDRIANITSIAHY RAVONJISON
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
937 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153