Handainga (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Handainga nefa ory,
Hilaza fa tsy tia izato tiana,
Amin'izay mahita sorisory!
Na ny marina dia fangirifiriana.

Hampijaly tena,
Sa efa sasatry ny miaina!
Ilay tina no tsy ekena!
Sao dia efa marary saina.

Odifanina re izany,
Tena lainga tsy mampino!
Nefa raha tsy hitany dia tomany,
Ny anarany aza tsy mety adino!

Tina tokoa moa,
ka mampifilafila!
Afenina ilay tena ao am-po;
Dia mody milaza fa tsy mila.

Lainga anefa izany!
Ny manda izay tsy azo lavina!
Mba sainosaino ihany,
fa tsy ianao irery no azo tiavina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
870 1
Mpakafy: irktlalains
Hevitra mandeha
irktlalains ( 29/03/2017 16:41)
Tsar fa toizo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143