Hanina amoron-kamory (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Haninkanina amoron-kamory,
Mampievona manorisory.
Mandatsa ny fo ao anaty.
Mampatsiaro tantara efa maty.
-
Haninkanina mizotra mankany,
Mandalo amin'ny sento, tomany.
Mampatsiahy ny sary fahiny.
Indrindra fa ilay endrikao iny.
-
Haninkanina nefa mba ho aiza.
Ato anatin'ny sento mitaiza.
Voagadra tsy afa milefa.
Ka embona sisa no alefa.
-
Embonembona anao lavitra ahy.
Manakotsa ny aty fanahy.
Hiarahako toa mihamirongatra. Ialako vao maika manangatra.
-
Vahaolana sisa manoratra.
Hoe mbola tia ny mpanoratra.
Mandringa ny foko ka tsy hafa-mamindra.
Ka mila ilay havako mamiko indrindra.
--------
Rohy:
668 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151