Hanomezo (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy teny mamy,
Sisasisa anatinao any.
Dia mba hanomezo kely!
Fa efa reraky ny mijaly.

Raha mbola misy hantra,
Azonao zaraina.
Dia hanomezo ny mahantra.
Fa aza avela hi

pitrapitra,

Raha mba manana ny ampy,
Safosafo, tambitamby.
Aza tanana irery,
Fa hanomezo izay mitady.

Hanomezo izay mba misy,
Na dia tsy satry ny hangataka.
Fa ny fiainana miha ratsy,
No manosika ho latsaka.

Tsy hakanosana na hakamoana.
Nanao ihany fa tsy nambinina.
Ka hanomezo izay mba misy.
Tsy hafa akory izay, fa havana ihany!

Nefa kosa raha fandatsana,
No azonao omena.
Mahasoava ihany ho anao,
Fa aoka izay ho amin'izao.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
831 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118